VAOVAO TAMBATRA

Vonona sy afaka miasa ireo fitaterana an-dalamby (train urbain) eto an-drenivohitra. Efa vita avokoa ireo fiantsonana rehetra hatreny Amorona­kona. Hiodina amin’ny “diesel” ity fitaterana ity ary mahavita zotra hatramin’ny enina isan’andro. Misy ny dingana sy lamina amin’ny fidirana ny amin’ny “train urbain électrique”.
Mpizahatany 4 931 avy any Pologne no tonga mitsidika an’i Madagasikara tamin’ity taona ity. Na­hitam-piakarana izany raha oharina ny tamin’ny taon-dasa, tamin’ny alalan’ireo paikady nataon’ny Eoropa Atsinanana amin’ny fampahafantarana ny firenena ma­lagasy. Anisan’ny mandray anajara amin’ny “Tour Salon Fair Poznan” atao any Pologne i Madaga­sikara.
Hiditra amin’ny andiany faharoa ny fanajariana ny sisin-dranomasina, hatao toerana fialamboly any Toamasina, (Miami Sud), sy any Toliara. Efa nankatoavin’ny fanjakana ny orinasa tsy miankina hanatanteraka ny asa.
Horaisin’ny fanjakana an-tanana ny hetra sy ny haban-tseranana, amin’ny fanafarana avy any ivelany ny fitaovana ilaina amin’ny fitaterana teleferika. Misy koa ny fitaovana toy ny andrimby (pylones), sy ny kojakoja ilaina amin’ny toeram-piantsonana na gara, amin’ny ampahany Soarano, Ivandry, ao anatin’ny zotra Anosy-Ambatobe.

Partager sur: