Am-periny tanteraka ny “Madagascourt Film Festival” (MFF), andiany faha-18 amin’izao fotoana izao. Efa mandeha ireo fifaninanana isan-tsokajiny ary efa migadona eto Antananarivo daholo ihany koa ireo vahiny sy tomponandraikitra maro mandray anjara sy hiatrika izany. Ankoatra ny fifaninanana anefa, nampiforona fifanakalozana ara-kolontsaina ihany koa ny hetsika noho ny fisian’ny fahasamihafan’ny mpandray anjara.
Efa mizotra antsakany sy andavany ny fifaninanana izay handrombaka ny amboara “Zebu d’Or” amin’ity andiany faha-18 ity. Tsiahivina fa azon’ny rehetra jerena eny anivon’ny Alliance française sy amin’ny fahita lavitra mpiara-miasa ny sarimihetsika rehetra nandray anjara nandritra ny hetsika. Efa nande omaly ny fifaninana ao amin’ny sokajy “Fiction Panafricaine” sy ny “Documentaire Panafricaine” ary ny “Animation Panafricaine”. Araka ny nambaran’ny tomponandraikitra, mihatanora ny mpandray anjara sy ny mpijery ny hetsika ary manomboka mihamaro ny mpijery sy mpankafy ny hetsika.
Lin




