Nifarana ny alahady teo ny fifaninanana « Tournoi de Noël” natao tany La Réunion. Tsy tonga tany an-toerana ny Malagasy.
Noho ny tsy fahavitan’ny taratasy « visa », tsy afaka nanatrika ny fifaninanana « Tournoi de Noël », natao ny 1 sy 2 desambra lasa teo, tany La Réunion, ny Malagasy. Ny taona 2024 ho avy izao kosa dia hihazo any amin’io nosy io, ireo Malagasy vehivavy, Randrianandrasana Sarah Brillante, sokajy latsaky ny 73 kg sy Rasoanomenjanahary Nathalie (-53 kg).
Marihina fa hanao ny fianarana ara-panatanjahantena « sport étude » any amin’ity nosy rahavavy ity izy ireo ka ny klioban’ny St Joseph no handray azy ireo amin’izany. Raha ny fanazavana azo tamin’ny filohan’ny Federasiona malagasin’ny tolona, Raveloson Mamitiana, omaly, dia hanatrika ny “tournée européenne” miaraka amin’ity klioba ity izy mirahavavy.
Tsiahivina fa i Sarah, 15 taona, izay efa nahazo medaly alimo, tamin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika U17, sokajy vehivavy, izay natao tany Tunisie, ny volana mai lasa teo. Raha ho an’i Nathalie, 17 taona, efa voahosotra ho tompondakan’i Madagasikara ny tenany.
Nanambara ihany koa ny filohan’ny FMT, fa hisy ny fivoriambe ara-potoana (AG) izay hataon’ny federasiona afaka fotoana vitsy. Tsara ny mampahafantatra fa nandritra ny lalaon’ny Nosy 2023, izay natao teto amintsika, nahazo medaly volamena miisa 11 sy volafotsy 8 ary alimo 2 i Madagasikara tamin’ity taranja ity.
Fitia Randria