Seksiona efatra tamin’ireo dimy no efa nahavita ny fifidianana izay ho filohany, araka ny fotoana napetraky ny Federasiona malagasin’ny taekwondo WT. Efa tontosa ny volana novambra lasa teo avokoa izany. Lany hitantana ny seksiona an’ Antananarivo Renivohitra, Robivelomanantsoa Mbolatiana Volahaingo. Hitondra an’Ambohidratrimo kosa Ranjavololona Julie Claudette. Filohan’ny seksiona Avaradrano, Rabemananjara Eric ary Randrianjafy Marion ny an’Atsimondrano. Saika vaovao avokoa ireo filohan’ny seksiona ireo hafa tsy ny an’Atsimondrano izay tafaverina amin’ny toerany. Mety ho tanterahina amin’ny faran’ ity herinandro ity ny an’i Manjakandriana, hany sisa tsy nahavita ny azy. Araka ny fantatra mbola misy antontan-taratasy takin’ny delegen’ny Fanatanjahantena amin’izy ireo. Raha tsy misy ny fiovana hotanterahina amin’ity volana desambra ity, ny an’ireo ligim-paritra manerana ny Nosy. Hamarana ny fanavaozana ny komity mpitantana ny an’ny federasiona malagasy, ny volana janoary 2024.
Torcelin