Hanakatona ny fifaninanana ny eo anivon’ny Federation sport automobile Malagasy (FSAM). Hamarana izany ny dingana farany amin’ny fifaninanam-pirenena eo amin’ ny karting.
Hotanterahina ny alahady 10 desambra ho avy izao, eny amin’ny “circuit” SRK Imerintsiatosika ny “2è grand prix karting”, dingana fahenina sady farany amin’ny fifaninanam-pirenena. Fihaonana karakarain’ny klioba FMMSAM. Hanana ny lanjany lehibe tokoa izany satria hamaritra izay ho tompondakan’i Madagasikara ho an’ny taona 2023. Misokatra ho an’ireo mpanamory manana ny kara-pilalaovana eo anivon’ny Federasiona sport automobile Malagasy (FSAM) sy ho an’ireo manana ny taratasy fahazoan-dalana iraisam-pirenena ary ho an’ireo mpikambana ny CIK.
Hisy sokajy telo ny fihaonana. Voalohany ny an’ny “Elite”, natokana ho an’ny mpanamory efa kalaza mihoatra ny 14 taona. Faharoa ny sokajy “junior”, natao ho an’ireo 11 ka hatramin’ny 14 taona. Farany ny an’ ny “minime”, 9 ka hatramin’ny 11 taona.
Mifanaraka amin’ny fitsipiky ny federasiona ny fifaninanana. Araka izany, takina amin’ireo mpifaninana ny aroloha, ny akanjo fitondra amin’ ny fifaninanana nahazoana fankatoavana, ny kiraro mifanaraka amin’ny fanaovana karting, ny fono tanana sy ireo pitsopitsony amin’ny fitaovana entina.
Manao andrana fakana fe-potoana ny mpanamory tsirairay, avy eo miditra amin’ny dingana voalohany. Mihodina inenina izany ho an’ny “minime” raha imbalo ho an’ny “Elite” sy “junior”. Aorian’io, ny famaranana mialoha ny fotoana. Fihodidinana imbalo ho an’ny “minime”. Impolo ny an’ny “junior” sy “elite”. Manakatona ny fifaninana ny famaranana tena izy. In-9 mihodina ny an’ ny “minime”. In-12 ny an’ny “elite” sy “junior”.
Hifarana anio alakamisy ny fisoratana anarana ho an’ ity Karting, andiany fahenina, ity.
Tompondaka