Andy Erika : niangaly jiu-jitsu nanomboka ny faha-4 taona

Malagasy mpikatroka ny taranja jiu-jitsu zandriny indrindra eto Madagasikara, i Andy Erika, vao 8 taona monja. Zandriny indrindra saingy tena efa misongadina tanteraka satria efa in’efatra izy no voahosotra ho tompondakan’i Madagasikara teo amin’ity taranja ity. Nanom­boka tamin’izy zaza vao efa 4 taona dia efa niangaly ny jiu-jitsu brezilianina i Erika. Efa fahazarana ho azy ny nanao ilay taranja satria ny rainy anisan’ny mpikatroka nahafatra-po teo amin’ity taranja ity. Sady nanao MMA no nanao Jiu-Jitsu i Eric, dadan’i Erika. Tian’i Erika ny jiu-jitsu brezilianina ary teo ihany koa ny fampirisihan’ny ray aman-dreny ka nahazo traikefa teny izy. Nandray anjara foana izy ta­min’ireo fifaninanana rehetra nokarakarain’ny federasiona teto an-toerana. Mbola tsy niatrika fifaninanana iraisam-pirenana i Erika saingy efa ao anatin’ny fandaharam-potoanany sy faniriany rahateo izany. Tsiahivina, ao amin’ny klioban’ny Checkmat no misy azy, nandritra izay 4 taona nanaovany jiu-jitsu izay.

Mi.Raz

Partager sur: