Hotanterahina any Marrakech Maroc, ny alatsinainy 11 desambra ho avy izao, ny fanolorana mari-pankasitrahana ireo Afrikanina mpilalao baolina kitra “Caf Awards”. Raha ho an’ny sokajy lehilahy, miisa telo ireo hiady ny amboaran’ny mpilalao mendrika aty Afrika, taom-pilalaovana 2022-2023. Anisan’izany i Mohamed Salah, egypsianina sy i Achraf Hakimi, marokanina ary i Victor Osimhen, nizerianina. Mpilalao mila ravinahitra any Eoropa avokoa izy telo mirahalahy ireo. I Salah milalao ao amin’ny Liverpool (Angleterre), i Hakimi, Paris Saint Germain (France) ary i Osimhen, Napoli SC (Italie). Tsiahivina fa i Sadio Mané (Sénégal) no voafidy ho mpilalao mendrika indrindra aty Afrika ny taona 2022.
Ankoatra izay, hisy koa ny fanomezana mari-pankasitrahana ho an’izay mendrika amin’ny sokajy vehivavy afrikanina, mandritra ity lanonana ity.
Tsara ny mampahafantatra fa Rakotoharimalala Mirado no solontenan’i Madagasikara nosafidin’ny Caf hifidy sy ho mpikambana anatin’ny “membre de jury” mandritra io fotoana io. Tsiahivina fa tafiditra tao anatin’ireo firenena telo mendrika indrindra aty Afrika i Madagasikara, nandritra ny “Caf Awards 2019” raha toa ka tsy tao anaty lisitra tamin’ity andiany ity.
Fitia Randria