Taorian’ny andro faharoan’ny fifaninanana « Grand Tournoi d’Antananarivo », taranja baolina kitra, nivoaka ny filaharana isam-bondrona ho an’ireo ekipa 16 mandray anjara. Amin’ireo klioba mandray anjara amin’ny “Orange Pro League” OPL, misongadina tanteraka ny Disciples FC sy ny Elgeco Plus.
Nahazo fandresena roa, tamin’ny lalao roa nataony avy, izy ireo. Mitarika ao amin’ny vondrona “A”, izay ahitana ny CFFA sy ny Toulon AC ary ny AS St Anne ny Disciples FC. Loham-bondrona ao amin’ny vondrona “B” ny Elgeco Plus, izay miray vondrona amin’ny Disciples Espoir sy Net Foot ary ny Spartiates.
Azo antoka, araka izany, ny hiakaran’ireto klioba goavana roa ireto any amin’ny dingana manaraka, hoy ny sekretera jeneralin’ny ligin’Analamanga, mpikarakara ny fifanintsanana.
Fitia Randria
Filaharana isam-bondrona :
A : 1- Disciples FC (6isa), 2- CFFA (3isa), 3- Toulon AC (3isa), 4- AS St Anne (0isa)
B : 1- Elgeco Plus (6isa), 2- Disciples FC Espoir (3isa), 3- Net Foot (1isa), 4- Spartiates (1isa)
C : 1- FC Rouge (6isa), 2- Ajesaia (3isa), 3- AS Zm (0isa), 4- Jet Kintana (0isa)
D : 1- US Pro (6isa), 2- Cosfa (3isa), 3- Mama FC (0isa), 4- Réquin Bleu (0isa)