Lalao fihantsiana: hanalavela amin’ny Dato FC ny Fosa Junior

Hotanterahina rahampitso, any amin’ny kianja Rabemananjara Mahajanga, ny lalao fihantsiana eo amin’ny Fosa Junior FC Boeny sy ny Dato FC Farafangana. Mbola manalavela ny Fosa Junior amin’ity fifanandrinan’ny roa tonta ity. Tsiahivina fa lavon’ny Dato FC tamin’ny fandakana “tir au but” ny ekipan’i Boeny, nandritra ny ampahefa-dalan’ny fifaninanam-pirenena “Orange pro league (OPL)”, ny taona 2022.
Ny alakamisy lasa teo, tao amin’io kianja voalaza io ihany, nisy ny lalao ara-pirahalahiana izay nihaonan’ny Fosa Junior sy ny ekipa voafantin’i Boeny. Nomontsanin’ny Fosa tamin’ny isa mavesatra 5 no ho 0 ireo mpilalaon’ny faritra Boeny. Tsara ny mampahafantatra fa anisan’ireo klioba valo hiatrika ny ampahefa-dalan’ny “Telma coupe de Madagascar ny Fosa Junior, raha toa ka efa raraka teo amin’ny ampahavalon-dalana ny Dato FC.
Tsara marihina fa ny Coach Naval no manazatra ny ekipan’ny Dato FC amin’izao fotoana. Marihina fa ao anatin’ny fanomanana tanteraka ny taom-pilalaovana 2023-2024 ny Fosa sy ny Dato. Hanomboka ny volana janoary 2024 ho avy izao ny “OPL”.

Fitia Randria

Partager sur: