Niditra an-tsehatra omaly, ny Malagasy mpilomano, miatrika ny fiadiana ny tompondakan’i Afrika, sokajy Juniors, taranja lomano. Raha ny vokatra voaray, tsy mbola nisy niatrika famaranana aloha hatramin’izao ny solontena malagasy, fa nihintsana tamin’ny fihodinana voalohany avokoa. Na teo aza izany, nisy mpilomano nahavita nanatsara fe-potoana tany Maorisy, tamin’ny alalan-dRakotobe Tendry, teo amin’ny halavirana 50 metatra «nage libre», sokajy Minime, 14 hatramin’ny 15 taona. Tamin’ny fe-potoana 25.45 no nahavitany izany raha toa ka 26.07 no fe-potoanany teo aloha.
Toy izao kosa ny filaharana azon’ireo mpilomano hafa. Teo amin’ny 400 LC Meter Medley, laharana faha-10 i Madagasikara(4:38.81). Ho an’ny Men 400 LC Meter Freestyle, laharana faha-11 Andriampenomanana Baritiana Mathieu (4:25.73). Teo amin’ny Women LC Meter Breaststrok, laharana faha-9 Razakatiana Finaritra 36.43. Laharana faha-11 Rakotobe Tendry Tiavina (1:04.76), teo amin’ny Men 100 LC Meter Backstroke. Ho an’ny Women 100 LC Meter Backstroke, faha-16 i Gaston Finoana Christina (1:16.54). Teo amin’ny Men LC Meter Butterfly, laharana faha-24 Andriampenomanana Baritiana Mathieu(27.83). Laharana faha-10 kosa Razafindrandretsa Anjanirina Miranda (21:32.83) teo amin’ny Women LC Meter Freestyle ary laharana faha-18 i Nomena Jauslin Sandra (1:04.42), teo amin’ny Women LC Meter.
Mi.Raz