Kitra : hiofana ao amin’ny Brest sy Lens ny Me Rôrô

Hanamafy fahaizana any Frantsa, amin’ny fiandohan’ny taona 2024, Rakotondrabe Romuald (Rôrô), mpanazatra ny Barea de Madagascar. Ekipa roa ao amin’ny «Ligue 1», no hangalany traikefa, amin’ity.

Fantatra izao fa hanainga ary hihazo an’i Frantsa, amin’ny fiandohan’ny volana janoary 2024, Rako­tondrabe Romuald (Rôrô), mpanazatra ny Barea de Madagascar. Araka ny fampitam-baovao avy aminy, hiatrika fiofanana sy haka traikefa ao amin’ny Stade Brestois sy ny Racing Club Lens. Tsia­hivina fa klioba roa mifaninana ao amin’ny «Ligue 1» frantsay avokoa izy ireo. Raha ny nambaran’ny Me Rôrô, haharitra herinandro avy izany. Noma­rihiny fa tsy ahazoana mari-pahaizana izany fandalovany ao amin’ireo ekipa frantsay ireo fa hakana traikefa sy hijerena ny fomba fandrindrana eo anivon’ny ekipa. Hisy, araka izany, ny fanarahan’ny Me Rôrô, lalao hataon’ireo ekipa ireo.

Ankoatra izay, mbola hisy ihany koa ny fiarahany amin’ny ekipan’ny Paris FC, hanamafisany ny fahaizany. Ha­haritra telo herinandro, araka izany, ny fijanonan’ity mpanazatra ny Barea de Mada­gascar ity any Frantsa. Inoana fa hatevina ny fahalalana azony mandritra izao fiarahany amin’ireo ekipa frantsay ireo, izao.
Ny Barea de Madagascar, izay ao anatin’ny fanomanana ny fifanintsanana hiadian-toerana ho an’ny Mondial 2026. Miandry izay ho tohin’ny lalao fihantsiana ataon’ny ekipam-pirenena malagasy ny rehetra, mialoha ny tohin’ny fifaninanana.
Raha tsiahivina, handray ny Les Coelacanthes avy atsy Comores ny Barea de Madagascar, eo amin’ny andro fahatelo, avy eo mbola hampiantrano ny Aigles du Mali. Fihaonana hotanterahina ny volana jona ho avy izao, etsy amin’ny kianjaben’i Mahamasina avokoa. Mitana ny laharana fahatelo ny Barea de Madagascar, taorian’ny fahavitan’ny andro roa voalohany ka manana isa 3.

Tompondaka

Partager sur: