Fosa Junior FC : maro ny mpilalao tsy tonga manao fanazaran-tena

“Maro amin’ireo mpilalaon’ny Fosa Junior FC Boeny no tsy tonga manao fanazaran-tena hatramin’izao”, hoy Ra­jaonarisamba Frank, mpanazatra ny Fosa Junior, omaly. Anisan’izany i Jean –Yves, i Tsiry Kely, i Drogba, i Naina, i Rado Kely, i Arisa. Lasa nanao polisy kosa i Fabrice, mpiandry haraton’ny Fosa Jr, hoy ity mpanazatra ity, raha toa ka nanao mpanazatra ny Fosa Jr Academy i Lolody.

Nomarihin’ity Malagasy teknisianina ity, fa manaja ny safidin’izy ireo ny klioba. Nohamafisin’i Coach Frank fa tsy mbola fantatra ny antony tsy ahatongavan’ireto mpilalao ireto. Ankoatra izay, naka mpilalao maro ity ekipa avy any Boeny ity. Anisan’izany ry Joma, avy ao amin’ny AS Fanalamanga, i Christian na i Voay, Uscafoot, i Carlos, CFFA Andoharanofotsy, Ri­cardo, Mama FC. Marihina fa nanao lalao andrana roa ny Fosa Junior FC, tamin’ny herinandro lasa. Lavon’izy ireo tamin’ny isa 5 no ho 0 ny ekipa voafantin’i Boeny, ny alakamisy lasa teo, tao amin’ny kianja Rabemananjara. Ny alahady 10 desambra kosa, nandresy ny Dato FC, 3 no ho 1, tany Mahajanga ihany iza­ny.

Mikasa ny hanao lalao ara-pirahalahiana miisa telo ny Fosa Junior, alohan’ny fifaninanam-pirenena “Orange Pro League (OPL) 2024” sy ny “Telma Coupe de Madagascar 2023”.

Fitia Randria

Partager sur: