Tsy fandriam-pahalemana : dahalo enina maty, iray azo sambo-belona

Mahery vaika ny fifandonana eo amin’ny mpitandro filaminana sy ny dahalo any amin’ireo faritra voasokajy ho mena manerana ny Nosy. Dahalo enin-dahy maty voatifitra ny alin’ny alatsinainy 11 desambra teo.

Manoloana ny halatra omby miseho lany, da­halo enina raindahiny lavon’ny mpitandro filaminana, ny alin’ny 11 desambra teo. Distrikan’i Mandoto, Antsa­lova sy hatrany Andila­mena no toerana nahafate­san’ny zandary azy ireo. Ni­trangana halatra omby tao amin’ny fokontany Ambala­kazaha, kaominina Masoarivo ny alatsinainy teo tamin’ny 11 ora maraina. Narahin’ny fokonolona sy ny zandary ireo dahalo ka tratra. Nikiry handositra anaty ala ireo olon-dratsy ka niara-lavo. Ankoatra io, lehilahy nitam-basy maty nandritra ny fifandonana tamin’ny mpitandro filaminana tao Anda­lamahitsy, fokontany Ambatotsipihina, kaominina Antanambao, distrikan’i Mandoto. Nitondra basy eran’ny tanàna io lehilahy io. Niafina anaty ala izy rehefa nahatazana ny zandary sady nitifitra. Vokany, namaly ny zandary ka lavo ilay dahalo.

Nandroba 700 000 Ar sy vary roa gony…
Nitrangana fanafihana mi­tam-piadiana tao Marogoaika, fokontany Beakanga, kaominina Vasiana, ny alin’ny 11 desambra teo tamin’ny 11 ora sy 45 minitra. Norobain’ny dahalo ny vola mitentina 7 hetsy Ar niampy vary roa gony sy ny akanjo tao amin’io tokantrano io. Nanara-dia avy hatrany ny zandarimaria sy ny fokono­lona. Tsy lasa alavitra, maty voatifitra ny dahalo iray atao hoe Viza. Tafapo­ritsaka ny namany roa lahy. Tetsy ankilany, mbola lavon’ny zandary koa ny dahalo raindahiny iray tao amin’ny fokontany Ambo­himarina, kaominina Antaneti­be, distrikan’i Soavinandriana, afakomaly. Nangalatra omby izy roa lahy ireo ka nifanenjehan’ny fokonolona ary niara-tratra. Namaly ny iray. Maty voatifitra tamin’ny fotoana nokasaina handosirana, noho izany, io dahalo io. Hatolotra ny fampanoavana tsy ho ela kosa ilay namany.

Halatra omby tao Andilamena…
Lavon’ny zandary ny da­halo raindahiny tao Antani­menabaka, kaominina ambanivohitra anatin’ny distrika Andilamena, ny 7 desambra teo. Azo sambo-belona izy ka nentina natao fanadihadiana. Nilaza ny toerana misy ireo namany rehetra ary nanaiky hitondra ny mpitandro filaminana any amin’ny fieren’izy ireo. Nanao tari-dositra tampoka anefa io dahalo io ka nandritra izany no nahalavo azy. Efa dahalo nokarohina nanomboka ny taona 2016 ity lavo ity. Tompon’antoka ta­min’ny fangalaran’omby miisa 95 tao amin’ny fokontany Tsa­ra­tsabo, kaominina Tanànani­fo­lolahy izy tamin’io taona io.

Tsiferana R.

Partager sur: