Niezaka hanavotra ilay menaky ny ainy, maty tsy tra-drano ny renim-pianakaviana iray sy ny zanany tao Tanamakoa 12/14, Toamasina, afakomaly alina. Nirefotra tampoka ny kaonteran-jiro, araka ny nambaran’ny fokonolona. Efa tafavoaka ny trano ilay vehivavy renin’io zazalahy kely io. Niredareda tao anatin’ny minitra vitsy ny afo. Nikiry niverina hamonjy ilay zanany anefa io renim-pianakaviana io. Tsy tafavoaka tao anatin’ny afo niredareda intsony izy mianaka. Niezaka namono ny afo ny mponina manodidina sy ny mpamonjy voina ao an-toerana. Tsy tanà intsony anefa ny ain’ireo mpianaka noho izy ireo efa kila tanteraka. “Nifamihina izy mianaka tamin’ny fotoana nahitana ny razana”, hoy ny loharanom-baovao. Tonga nankahery ny fianakaviana lasibatra ny tomponandraiki-panjakana ao an-toerana. Nentina nandrasana ao amin’ny tranom-pokonolona ao Tanamakoa ny razan’izy mianaka lasibatry ny haintrano ho an’ny omaly.
Tsiferana R.