Vita tanteraka izay ny fifanintsanana isam-bondrona ny “Grand Tournoi Antananarivo” izay natao teny Ambohidratrimo. Hiditra amin’ny lalao ampahefa-dalana indray izao.
Hotontosaina eny amin’ny kianjan’ny Elgeco Plus, manomboka ny sabotsy sy ny alahady ho avy izao, ny ampahefa-dalan’ny «Grand Tournoi Antananarivo (GTA)», taranja baolina kitra. Araka ny valin’ny antsapaka omaly, teny Andoharanofotsy, dia hihaona amin’ity dingana manaraka ity ny Elgeco Plus sy ny CFFA Andoharanofotsy. Hatao ny alahady ho avy izao izany. Tsiahivina fa tamin’ireo lalao roa nihaonan’ny roa tonta nandritra ny fifaninam-pirenena «Orange Pro League (OPL) 2023», mbola manala vela ny CFFA. Efa resin’ny Elgeco Plus tamin’ny isa 1 no ho 0 izy ireo, ny 22 avrily lasa teo. Ady sahala 0 no ho 0 kosa, ny 26 febroary lasa teo.
Marihina fa samy klioba manomana fatratra ny Opl sy ny fiadiana ny amboaran’i Madagasikara “Telma Coupe 2023” izy roa ireto. “Hatao ny volana janoary ho avy izao ny manasa-dalana ary hatao antsapaka ihany ireo klioba izay hifanandrina amin’izany”, hoy Rakotoarimanana Henintsoa na i Tôta, filohan’ny ligin’ Analamanga no sady mpikarakara ny fifanintsanana GTA. Tsara ny mampahafantatra fa hotolorana vola 20 tapitrisa Ariary izay voahosotra ho tompondaka.
Fitia Randria
Ny fandaharan-dalao amin’ny ampahefa-dalana :
Kianja Elgeco Plus By pass
Sabotsy 16 desambra :
12 ora sasany : Us Pro Analamanga vs Disciple Espoir Analamanga
2 ora sasany : Cosfa OPL vs Disciple OPL
Alahady 17 desambra :
12 ora sasany : FC Rouge Analamanga vs Ajesaia OPL
2 ora sasany : Elgeco Plus OPL vs CFFA Andoharanofotsy