Ramaherison M. Tafitasoa : efa tompondakan’ny “Ile de France”, Judo

Judokas malagasy, mila ravinahitra any Frantsa, Ramaherison Misetra Tafitasoa, vao 11 taona monja. Ao amin’ny Judo Club d’Asnières no misy azy ary mianatra amin’ny kolejy manokana momba ny Judo ao Levallois. Nanomboka nanao Judo i Misetra tamin’ny faha-4 taonany ary efa nisalotra medaly maro. Anisan’ny goavana indrindra ny nahazoany ny tompondakan’ny “Ile de France”, tamin’ny taona lasa, rehefa niatrika ady miisa 8. Medaly farany vao azony, tamin’ity volana desambra ity, ny medaly volamena teo amin’ny isam-bondrona “Benjamin” sy olon-tokana, sokajy -34kg sy -38kg, nandritra ny “Tournoi Téléthon Villeneuve La Garenne”. Mbola maro ny medaly azony ankoatra ireo, anisan’izany ny tamin’ny “Hermès Cup” tany Belgique, fivoahana iraisam-pirenena voalohany natrehany. Nosafidian’i Misetra manokana ny Judo satria efa ra mikoriana ao anatin’ny fianakaviany ny fanaovana fanatanjahantena. Judokas tao amin’ny klioban’ny Esca ny rainy ary ekipa nasionaly, taranja karate ny reniny. Manao Judo ihany koa ny zokiny vavy ary vao nahazo medaly volamena ny herinandro lasa teo.

Mi.Raz

Partager sur: