Anjozorobe : mpaka an-keriny telo lahy rotiky ny bala

Tratra ihany ny lehiben’ny dahalo malaza ratsy amin’ny fakana an-keriny ao amin’ny distrikan’Anjozorobe. Niara-namoy ny ainy izy sy ny namany roa lahy. Nokarohina hatry ny ela, nifanehatra tamin’ny mpitandro filaminana nanao hetsika manokana tao amin’ny fokontany Ambo­hitsoa, kaominina Bero­nono, distrikan’Anjozorobe, i Leba, mpitarika dahalo, afakomaly. Ikoizana amin’ny halatra omby sy fakana an-keriny tao amin’ny distrikan’Anjozorobe hatrany Ankazobe ireo dahalo ireo. Nanoloana io tsy fandriampahalemana io, nitarika ny ekipany tamin’ny alalan’ny hetsika manokana ny kaomadin’ny Vondron-tobim-paritra Imerina Centrale. Nahatazana azy ireo anefa ireo dahalo ka vaky nitifitra. Nampiasa fitaovam-piadiana mahery vaika ireto farany ka nanao sarotra ny fisamboran’ny zandary azy ireo. Tao anatin’ny 5 ora nifampitifirana, lavon’ny mpitandro filaminana i Leba. Nikiry hanohitra hatrany ireo namany ka lavo koa ny roa lahy. Nanao tari-dositra ny dahalo mpiara-dia amin’izy telo lahy ireo.

Latsaka ny basy roa…

Nandritra ny fifandonana mahery vaika, naratra mafy voan’ny bala koa ny dahalo roa hafa. Latsaka ny basimborona roa niampy bala 17 fampiasan’ireto dahalo ireto amin’ny asa ratsiny. Ankoatra ireo, tratra teny amin’ireo dahalo lavo ireo koa ny moara sy ny ody ratsiny. Na izany aza, tsy nisy naratra ny zandary nandray anjara tamin’ny fifampitifirana sy ny fokonolona nanao ny fisamborana. Nanamafy ny zandarimaria eo anivon’ny kaompania Imerina Centrale fa mitohy hatrany ny fikarohana ireo tafatsoaka ary mbola tsy mitsahatra ny fametrahana ny faritra ao anaty fandriampahalemana. Raha tsiahivina, vao ny faran’ny herinandro teo koa ny kaomandin’ny zandarimariam-pirenena no nidina tany Ankazobe nijery ifotony ny toe-draharaha momba ny fakana an-keriny.

Tsiferana R.

Partager sur: