Tohivakana ny haintrano ao an-drenivohitr’ i Toamasina tato ho ato ary saika isan’ andro izany taorian’ny haintrano nahafatesana ain’olona roa, mpianaka, ny alatsinainy hifoha ny talata teo. Nitrangana haintrano mahatsiravina indray tao Tsarahonenana, ny alarobia maraina teo tamin’ny 10 ora maraina. Tokantrano efatra tafo vita amin’ny hazo sy fanitso no levon’ny afo. Vokatry ny fandorana fako ka nisy kilalaon’ afo tonga teny amin’ny rindrin-kazo no nitarika ny firehetana. Niampita tamina trano hafa teo amin’ny manodidina izany ka trano efatra no levon’ny afo miaraka amin’ny entana tao anatiny, tsy nisy kosa ny naratra . Haintrano fahavalo ity nitranga ny alarobia ity ary efa miakatra hatramin’ny 170 indray izao ny traboina. “mafana ny andro ka aoka ny rehetra samy hitandrina amin’ny afo” hoy lehiben’ny Vondron’ny mpamonjy voina anivon’ny kominina ambonivohitr’ i Toamasina, ny Kly Charles Desiré.
Rava indray aloha ho an’ny alarobia teo ny nofinofin’ny mpamonjy voina hitokona, ny ain’ olona no ambony, mahavoasazy rahateo ny tsy fandraisana andraikitra manoloana ny fisian’ny loza ho an’ny asan’ny mpamonjy voina, ireto farany rahateo mbola vonona ny hanao ny asany. Nanamafy ihany koa ny ben’ny Tanàna fa tsy manana alalana hitokona ny mpiasan’ny mpamonjy voina.
Sajo




