Nofinofy efa ela ho an-dRakotobe Kristina ny hanampy ny ankizy sy tanora hisehatra eo amin’ny tontolon’ny basikety. Nisy fotoana izy nandalo teto Madagasikara ary nijery izay fomba hanatanterahiny izany nofinofiny izany. Ankehitriny, tapaka ny heviny fa hanome fiofanana ny mpilalao basikety, ho an’ny sokajy vehivavy eto Madagasikara. “Girls Unity Basketball” no anaran’ity “camp” ity ary natokana ho an’ny sokajy vehivavy, 14 hatramin’ny 16 taona. Kristina sy Donovan, olon-tiany, no hiaraka hanatanteraka izany ary izy roa no hanome ny fiofanana ao. Hifanampy amin’izy ireo amin’izany, ireo mpanazatra nasionaly eto Madagasikara sy ny Malagasy mpilalao manana traikefa.
Tanjona ny hifanampy amin’ireo ankizivavy mankafy basikety, mba hanatraran’izy ireo izay kendreny amin’ny basikety. Hisy ny fifanoroana hevitra sy fizarana traikefa, ankoatra ny fampianarana basikety, araka ny nambaran-dRakotobe Kristina. Ho fanohanana ity tetikasany ity, miantso izay malala-tanana ka afaka hanohana i Kristina, hoenti-manatsara ara-pitaovana sy ara-pitaterana sy izay mety ho fandaniana amin’ity fampiofanana ity. Tetikasa maharitra no kasainy hatao ary ho fandraisana anjara amin’ny fampandrosoana ny basikety malagasy.
Mi.Raz




