“Cosafa School 2023” : resy ny ekipa malagasy lehilahy, ady sahala ho an’ny vehivavy

Notanterahina nanomboka omaly, tany Harare Zimbabwe, ny fifaninanana ho an’ny mpianatra “Cosafa School 2023”. Resy ny sokajy lehilahy ary ady sahala ny an’ny vehivavy.

Ady sahala 0 no ho 0 no isa nentin’i Namibia sy i Madagasikara nisaraka nandritra ny andro voalohan’ ny fifaninanana “Cosafa school U.15”, taranja baolina kitra, sokajy vehivavy, omaly, tany Harare Zimbabwe. Resin’ i Namibia tamin’ny isa 2 no ho 0 kosa ny lehilahy ta­min’ity fifanintsanana ity.

Tsy mbola tapitra ny lalao ho an’i Madagasikara, mbola misy lalao telo avy ny an’ny lahy sy ny vavy. Raha ho an’ ireto sokajy roa ireto, hifanandrina amin’i Angola sy i Afrika Atsimo ary i Zambia izy ireo manomboka anio, any an-toerana. Tsiahivina fa ao amin’
ny vondrona «B» i Madagasi­ka­ra, miaraka amin’i Afrika Atsimo, Zambie, Angola ary i Namibie. Araka ny fikarohana natao, handresy amin’ny isa 3 no ho 0 avokoa izay mihaona amin’i Zambia, tsy tonga nanatrika ity fifaninanana ity izy ireo.

Miatrika avy hatrany ny manasa-dalana ireo roa voalohany isam-bondrona. Tsara ny mampahafantatra fa hifarana rahampitso ity fifaninanan’ ny mpianatra ity. Hisonlo­tenan’ny faritra atsimon’ny kaontinanta Afrikana izay voahosotra ho tompondaka amin’ity andiany ity.

Nitsara ny lalao voalohany ny Malagasy
Nitsara ny lalao voalohany, izay nihaonan’i Zimbabwe, mpampiatrano, sy i Malawi, ry Randriambololomanana Tsiaro sy Rasoanaivo Ny Voaary. Nipetraka ho mpitsara ny lalao afovoany i Tsiaro raha toa ka mpanampy azy i Ny Voaary. Marihina fa samy 17 taona izy mirahalahy.

Tsara ny mampahafantratra fa avy amin’ny faritra Analamanga i Tsiaro raha toa ka avy any Itasy i Ny Voaary.

Fitia Randria

Partager sur: