Lavon’ny zandary ny dahalo raindahiny amin’ny fakana an-keriny ao amin’ny distrikan’ Anjozorobe, afakomaly. Anisan’ireo dahalo iray tarika amin’Iarisy nampitondra faisana tao Anjozorobe sy Ankazobe ary Ambohidratrimo. Efa namoahan’ny fitsarana taratasy fanenjehana azy ity dahalo ity. Nahazo fampitam-baovao anefa ny zandary fa miery ao Toamasinakely Beanana, distrikan’Anjozorobe ny andian-dahalo tarihin’ity maty voatifitra ity. Nidina avy hatrany teny an-toerana fieren’ireo malaso ny zandary ka voamarina tokoa izany. Efa fantatr’izy ireo anefa ny fahatongavan’ny zandary ka nandrasan-dry zalahy teo amin’ny kizo. Raikitra ny fifampitifirana ka maty voatifitra ity dahalo raindahiny ity. Hita tany aminy nandritra ny fisavana nataon’ny zandary ny basim-borona calibre 12 sy bala maromaro. Nisy moara ary antsilava koa niaraka tamin’ ireo fitaovam-piadiana ireo. Lasa nandositra avy hatrany ireo namany rehefa tsy nahatohitra ireo zandary.
Mody nirevy
Hafa kely koa ny zava-niseho teny amina toera-pisotroa iray teny Mahitsy, afakomaly. Nisy andian’olona nirevy saingy tsy nety niala tao na efa nalefan’ny tompon’ilay toeram-pisotroana aza, satria efa tonga ny ora fikatonana. Ny tompon-trano indray no nahazo fandrahonana ho faty. Niantso zandary ireto farany noho ny tahotra. Lasa nitsoaka anefa izy ireo nony tonga ny mpitandro filaminana. Namoaka basy nitifitra ny iray tamin’ireo andian-jatovo. Nisy ny fifampitifirana ka maty voatifitra ny iray.
J.C