Andiany faharoa ny fifampizarana momba ny fiadanana (bien être) sy ny fahasalamana niompana amin’ny fikarohana sy ny fandrosoana ary ny haivao, miantraika amin’ny fahasalamam-bahoaka. Mifototra amin’ny lohahevitra hoe “Mifandray ny fahasalaman’ny olombelona sy ny biby ary ny tontolo iainana hanome fahasalamana tokana” ny fivoriana izay ataon’ireo mpikaroka sy ireo olona manomana “doctorat” amin’ny seha-pikarohana samihafa .
Miainga amin’ny zava-misy momba ny fahasalamana amin’izao fotoana izao, ohatra, ny fisian’ny valanaretina Covid-19, namely izao tontolo izao ny fahatsapana fa tsy afa-misaraka ireo fa tsy maintsy miaraka ahazoana fahasalamana tokana. Mpikaroka 63 efa matihanina no nizara voka-pikarohana, efa nofantenan’ny mpikaroka maneran-tany mialoha ary nampahafantarina ny mpikaroka sy ny mpiasan’ny fahasalamana 400 teny amin’ny foibem-pirenena momba ny fikarohana fanafody avy amin’ny zavamaniry (Cnarp) Ambodivoanjo.
Nanambara ny mpikaroka momba ny ranomasina (biologiste marin), profesora Maharavo Jean, fa mirongatra ny aretina vaovao mifandray amin’ny fiovan’ny toetr’andro amin’izao fotoana izao. Lasa isehoan’ny tazo aty amin’ny afovoan-tany izay mangatsiaka.
Nilaza kosa ny mpitsabo “biologist” miasa amin’ny laboratoara ao amin’ny Cnarp, Rakotoarisoa Malalanandrianina, fa misy ny otrikaretina mora mifindra sy mahafaty mety mamely ny voa sy ny tratra tsy sitran’ny antibiotika intsony ankehitriny.
Vonjy




