Olombelona, biby, tontolo iainana: tokony hiaraka hitondra fahasalamana tokana

Andiany faharoa ny fifampizarana momba ny fiadanana (bien être) sy ny fahasalamana niompana amin’ny fikarohana sy ny fandrosoana ary ny haivao, miantraika amin’ny fahasalamam-bahoaka. Mifo­totra amin’ny lohahevitra hoe “Mifandray ny fahasalaman’ny olombelona sy ny biby ary ny tontolo iainana hanome fahasalamana tokana” ny fivoriana izay ataon’ireo mpikaroka sy ireo olona manomana “doctorat” amin’ny seha-pikarohana samihafa .
Miainga amin’ny zava-misy momba ny fahasalamana amin’izao fotoana izao, ohatra, ny fisian’ny valanaretina Covid-19, namely izao tontolo izao ny fahatsapana fa tsy afa-misaraka ireo fa tsy maintsy miaraka ahazoana fahasalamana tokana. Mpikaroka 63 efa matihanina no nizara voka-pikarohana, efa nofantenan’ny mpikaroka maneran-tany mialoha ary nampahafantarina ny mpikaroka sy ny mpiasan’ny fahasalamana 400 teny amin’ny foibem-pirenena momba ny fikarohana fanafody avy amin’ny zavamaniry (Cnarp) Ambodivoanjo.
Nanambara ny mpikaroka momba ny ranomasina (biologiste marin), profesora Maha­ravo Jean, fa mirongatra ny aretina vaovao mifandray amin’ny fiovan’ny toetr’andro amin’izao fotoana izao. Lasa isehoan’ny tazo aty amin’ny afovoan-tany izay mangatsiaka.
Nilaza kosa ny mpitsabo “biologist” miasa amin’ny laboratoara ao amin’ny Cnarp, Rakotoarisoa Malalanan­dria­nina, fa misy ny otrikaretina mora mifindra sy mahafaty mety mamely ny voa sy ny tratra tsy sitran’ny antibiotika intsony ankehitriny.

Vonjy

Partager sur: