Anjozorobe : vehivavy roa nalain’ny dahalo an-keriny

Naka takalon’aina indray ireo dahalo mpaka an-keriny tao Ambohibary Vohilena, Anjozorobe, ny faran’ny herinandro teo. Mpamboly sy mpamongady ireto lasibatra.

Mbola tsy tafaverina hatramin’ny omaly ireo olona enina lasan’ny dahalo an-keriny, tao amin’ ny tanànan’Ambo­hi­bary, kaominina Amboh­i­bary Vohilena, distrika Anjorobe. “Mbola anatin’ny fanarahan-dia ireo dahalo tanteraka izahay amin’izao fotoana”, hoy ny nambaran’ny zandary lehiben’ny zana-tobim-paritra ao Ambo­hibary-Vohilena. Ny alin’ny zoma 15 desambra teo, niditra an-keriny tao amin’ny tokantrano telo ny dahalo mitam-piadiana. “Mpihavana avokoa ny tokantrano roa amin’ireo, raha toa ka tsy misy hifandrasainy ilay tokantrano iray”, hoy ny fanamafisan’ny zandary misahana ny fanarahan-dia ao an-toerana. Namoy ny ainy ny olona iray vokatry ny tifitra nataon’ireo olon-dratsy. Nentiny nanaraka azy ireo ny lehilahy efatra sy vehivavy miisa roa. Nitsoaka nandositra izy ireo. Nampandre ny mpitandro filaminana, taorian’io, ny lasibatra. Tsy hita popoka anefa ireo olon-dratsy. Etsy ankilany, mbola any am-pelatanan’ny dahalo amin’izao fotoana ireo olona enina hafa nalaina an-keriny tany Kiangara, distrika Ankazobe, roa herinandro lasa.
Olona efatra voasambotra…

Voasambotry ny zandary kosa ny efatra mianadahy mpaka an-keriny tao Andra­novao, distrika Maintirano, ny 14 desambra teo. Naka takalon’aina tao amin’ny tanànan’i Tsaramandroso, kaominina Tambohorana, ireo olon-dratsy ireo, ny 18 oktobra lasa teo. Naka renim-pianakaviana iray hafa koa izy ireo ny 29 oktobra teo. Nitaky lelavola 3 000 000 Ar tamin’ireo lasibatra ireto farany. Nanao ny fanadihadiana lalina ny zandarimaria ka izao niafara amin’ny fahatrarana azy efa-mianaka izao.

Tsiferana R.

Partager sur: