Androhibe : mpanao  Cash point voasoloky 800 000 Ar

Manjaka ireo mpisoloky amin’ny alalan’ny fampiasana telefaonina amin’izao fotoana. Mpiasa amin’ireny iray lasibatr’izany, tetsy Andrianalefy-Androhibe, ny alakamisy 14 de­sambra teo. Vehivavy iray nilaza nahita asa niditra tao aminy. Mandefa vola amin’ny alalan’ny finday io asa vaovao io ka nomen’ny olona tsy fantatra azy ny laharana finday maromaro. “Efa hitan’ny masonay tamin’ny alalan’ny hafatra miafina koa ny vola nalefan’io olona io ka ho tsinjaraina amin’ny laharana finday nomeny, hoy ilay vehivavy. Nangataka fiaraha-miasa tamin’ilay mpiasa ao amin’io Cash point io, araka izany, ity farany. Nahita ny vola tao anatin’ny finday, resy lahatra ka nitsinjara ny vola tamin’ny laharana finday maromaro tokoa ilay. “Lasa avokoa ny vola mitotaly 800 000 Ar”, hoy ny loharanom-baovao. Tsy hita tao anatin’ny telefaonin’ ilay vehivavy nangataka ny fiaraha-miasa intsony anefa ny vola izay voalaza nalefan’ilay mpanakarama azy rehefa nikasa hamerina ny volan’ilay mpanao Cash point izy. Nitory eny anivon’ny CSP 8 Ana­lamahitsy ny lasibatra.

Tsiferana R.

Partager sur: