Rugby : lasan’ny Cosfa ny amboaran’i Madagasikara

Noraofin’ny Cosfa (Bebaoty) nody any an-dakazery ny amboaran’i Madagasikara, taranja rugby. Resiny teo amin’ny famaranana ny Uscar (Kaominina Antananarivo Renivohitra). Tsy mbola afa-bela tamin’­izy ireo indray izany ny Uscar.

Tontosa omaly alahady, tetsy amin’ny kianja Makis Andohatapenaka, ny famaranana niadiana ny amboa­ran’i Madagasikara, taranja rugby. Nobatain’ny Cosfa (Bebaoty), ny fandresena rehefa nanilika ny Uscar (Kaominina Antananarive Renivohitra), tamin’ny isa mazava, 32 no ho 15. Niady ny baolina hatreo amin’ny 15 mn, fidirana voalohany. Nifamaliana ny fanafihana. Na izany aza, nanokatra ny isa voalohany ny miaramila, tamin’ny alalan’ny “hors jeu” voatsaran’i Doda ka nahazoany isa 3. Mbola nitohy hatrany izany ka nisy “coup de pied de penalité” voatsara indray. Nitarika 6 no ho 0 ny miaramila. Taorian’io, nilalao 14 ny Uscar, teo amin’ny minitra faha-20 rehefa nahazo karatra mena i Anthony kapiteny. Nanjaka tokana avy eo ny Bebaoty, izay mbola nahazo «essai de pénalité» sy baolina nentin-tanana tsy voatsara ka nitarihany tamin’ny isa 18 no ho 0.
Niezaka niarina ny Uscar ka nahafaty “hors-jeu” roa Radadatoa. Lasa 18 no ho 6 ny isa izay nentin’ny roa tonta niala sasatra.
Nahery vaika ny tosiky ny Bebaoty
Fizaram-potoana faharoa, nanao ezaka ry Toussaint sy ny namany ka nampihena ny isa ho 18 no ho 12, rehefa nahafaty “hors-jeu” iray sy “drop goal” indray Radadatoa. Nihevitra ny rehetra fa hiady ny lalao saingy nanampatra ny heriny indray ny Bebaoty. Nanantombo tao anaty “mêlée” ry zalahy. Vokatr’izay, nahazo “essai de pénalité” indray ka lasa 25 no ho 12 ny isa. Tsy nijanona teo fa niampy baolina nentin-tanana iray ka lasa 32. Efa tao anatin’ny fanenon’ny “gong” vao nampihena ny isa ny Uscar, tamin’ny alalan’ny “hors-jeu” matin-dRadadatoa ka 32 no ho 15 no nisarahan’ny roa tonta.
Nahazo ny laharana fahatelo ny FTM, rehefa nandresy ny Tam, tamin’ny isa 73 no ho 10.
Tompondakan’i Madagasikara D1, vehivavy, ny SCB Besarety, raha nanilika ny FTFA, 17 no ho 11. Ho an’ny D2, vehivavy ihany, lasan’ny Asut, nandavo ny Cheminots 16 no ho 14, ary teo amin’ny rugby vacances U18, voahosotra ho tompondaka ny Cheminots, nandavo ny USA Ankadifotsy, 9 no ho 7. Nanatrika ity famaranana ity, ny ben’ny Tanà­nan’Antananarivo Renivohitra, Andriantsitohaina Naina.

Tompondaka

Partager sur: