Lany ho filohan’ny Federasiona malagasin’ny tolona (FML) faninefany, Raveloson Mamitiana. Izy indray, araka izany, no hitantana ity taranja ity mandritra ny efa-taona manaraka, rehefa nahazo vato efatra tamin’ireo ligy efatra tonga nanatrika ny fifidianana teny Ivandry, ny zoma lasa teo. Anisan’ireo mbola nametraka fitokisana taminy indray, ny ligin’Analamanha, Atsinanana, Boeny, Ihorombe. Tsy afaka nandray anjara tamin’ity hetsika ity ny ligin’i Matsiatra Ambony noho izy ireo mbola tsy manana ny taratasy ara-dalàna, “cértificat de conformité”.
“Handefa atleta any amin’ny lalao olympika JO 2024, izay hatao any Paris, ny tanjona”, hoy ity filohan’ny federasiona ity. Tsiahivina fa ny taona 2012, tany Londres Angleterre, no nisy solontenan’i Madagasikara farany tamin’ny JO. Tsara ny mampahafantatra fa nandritra ny lalaon’ny Nosy JIOI 2023, izay natao teto amintsika, nahazo medaly volamena miisa 11 sy volafotsy 8 ary alimo 2, i Madagasikara tamin’ity taranja ity. Ankoatra izay, ny taona 2024, handeha ho any La Réunion ireo atleta Malagasy, sokajy vehivavy miisa roa. Anisan’izany ry Randrianandrasana Sarah Brillante, sokajy latsaky ny 73 kg sy Rasoanomenjanahary Nathalie (-53kg). Handeha hanao “sport etude” any amin’io nosy rahavavy io izy ireo.
Fitia Randria