Tsy namokatra firy ny ekipa nasionaly malagasy nandritra ny “Cosafa School U-15”, natao tany Harare Zimbabwe. Samy tsy nisy tafavoaka vondrona ny sokajy lahy sy vavy.
Ratsy ny vokatra ho an’ny ekipa nasionaly malagasy, nandritra ny fifaninanana « Cosafa School U-15 », taranja baolina kitra, izay natao tany Harare Zimbabwe, ny 15-16 desambra lasa teo. Tsy misy tafavoaka tao amin’ny « vondrona B » ny ekipam-pirenena malagasy. Raha ho an’ny lehilahy, nitana ny laharana fahatelo tao amin’ny vondrona nisy azy izy ireo. Farany kosa ny Malagasy vehivavy mpilalao, tamin’izany.
Raha hiverenana ny lalao efatra notontosain’izy ireo. Ny sokajy lehilahy, nahazo fandresena roa sy ady sahala tokana ary faharesena iray. Ady sahala iray sy faharesena telo kosa ny an’ny sokajy vehivavy. Tsiahivina fa ity no fandraisana anjara voalohany ho an’i Madagasikara. Azo lazaina fa tsy nitsanga-menatra ny Malagasy tamin’ity fifaninanana iraisam-pirenena ho an’ny mpianatra ity.
Ankoatra izay, tsara ny mampahatsiahy fa nisy Malagasy mpitsara nandritra ny fifaninanana. Anisan’izany Randriambololomanana Tsiaro sy Rasoanaivo Ny Voaary. Marihina fa samy 17 taona izy mirahalahy. Avy amin’ny faritra Analamanga i Tsiaro raha toa ka avy any Itasy kosa i Ny Voaary.
Antenaina fa hitondra vokatra tsara ny Malagasy amin’ny andiany manaraka. Mbola karazana fakana traikefa ho azy ireo iny lalao nifarana ny sabotsy teo iny, amin’ny maha fandraisana anjara voalohany azy.
Fitia Randria