Notontosaina ny asabotsy sy omaly alahady, teny amin’ny kianjan’ny Elgeco Plus, By-pass, ny ampahefa-dalan’ny fifaninanana “Grand Tournoi d’Antananarivo”, taranja baolina kitra. Tafita hiatrika ny manasa-dalan’ity fifanintsanana ity ny ekipan’ny Disciples FC OPL, ny Us Pro Analamanga, ny Ajesaia Opl sy ny Elgeco Plus Opl. Raha hiverenana ny ampahefa-dalan’izy ireo, ny Us Pro nanamontsana ny Disciples Fc Espoir, tamin’isa 5 no ho 0. Ny Disciples Opl nandresy ny Cosfa Opl, tamin’ny isa 3 no ho 0. Niondrika teo anatrehan’ny Ajesaia, 1 no ho 0, ny FC Rouge. Ny Elgeco plus nanilika ny CFFA Andoharanofotsy, tamin’isa 1 no ho 0 ihany koa. Marihina fa mbola hanaovana antsapaka ireo ekipa efatra tafita ireo, fa tsy misy ny fifanandrinana mivantana “adversaire direct”. Ny ekipan’ny US Pro irery ihany no solontenan’Analamanga mifaninanana amin’ny GTA, raha toa ka klioba mifanintsana amin’ny OPL avokoa ny ambiny. Amin’ny volana janoary ho avy izao no hanaovana ny manasa-dalana, araka ny filazan’ny mpikarakara, Rakotoarimanana Henintsoa na i Tôta, filohan’ny ligin’Analamanga sy ny CFEM. Tsara ny mampahafantatra fa natao hanomanana ny fifaninanam-pirenena “Orange Pro League (OPL)” ity GTA ity. Hotolorana lelavola 20 tapitrisa Ariary izay klioba voahosotra ho tompondaka.
Fitia Randria