Nankalaza ny tsingerin-taona voalohany, ny alahady 17 desambra lasa teo, ny kianja Balary Stadium Anosizato. Nanamarihana izany ny fifaninanana baolina kitra ho an’olona 9, nifanandrinan’ireo ekipa 48 nisoratra anarana. Norombahin’ny Miray FC ny lelavola 1 tapitrisa Ar, rehefa nandresy ny RMD, tamin’ny isa 2 no ho 1, teo amin’ny famaranana. Notoloran’ny mpikarakara 300 000 Ar ny faharoa ary 200 000 Ar ny an’ny FC Fima, laharana fahatelo. Ankoatra izay, nisy ny “tombola” ho an’ireo mpijery nahazoana fanomezana maro samihafa.
Miavaka ny kianja Balary stadium, noho ny fisian’ny jiro mandeha amin’ny rivotra manazava ny toerana filalaovana hialana amin’ny “delestage”. Misokatra isan’andro, manomboka amin’ny 6 ora maraina ka hatramin’ny 10 ora alina ny kianja ka afaka hanatontosana lalao ho an’olona 5 sy 7 ary 9. Ankehitriny, mahatratra 8 isan’andro ny fihaonana raisin’ny Balary Stadium. Tanjona, hoy Rabeonja Rasoloharilala, anisan’ireo mpitantana, ny hamerina indray ny lazan’ny kitra eny Anosizato, nipoiran’ireo sangany tao anaty ekipam-pirenena toa an’i Baby, atsy La Réunion, i Dominique sy i Dezy Monstre ary i Typeh raha tsy hitanisa afa-tsy ireo ary hanangana ekipan’Anosizato. Manampy izay, hitaizana ireo tanora tsy hirona amin’ny zava-mahadomelina. Dingana manaraka ny “Tournoi bonne année”, hatao ny 14 janoary 2024.
Torcelin