Nanakoako tany Italie indray, ny faran’ny herinandro teo, ny lazan’ny tenisy ambony latabatra malagasy. Nandrombaka ny medaly alimo teo amin’ny fihaonana ho an’ny olon-droa miaraka lehilahy mantsy i Fabio sy i Antoine.
Tsy mitsahatra ny mitondra avo ny lazan’i Madagasikara eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena ny taranja tenisy ambony latabatra. Nandrombaka ny medaly alimo, ekipan’olon-droa miaraka, lehilahy, nisy an-dRazafinarivo Antoine sy Rakotoarimanana Fabio, nandritra ny fiadiana ny “World Table Tennis Contenders de Feeder Biella”. Fihaonana notanterahina tany Italie, ny 12 -17 desambra lasa teo.
Raha tsiahivina ny dingana nolalovan-dry zalahy, nihintsana teo amin’ny lalao manasa-dalana. Resin’ireo frantsay, i Dorr Esteban sy i Florian Bourrassaud, tamin’ny seta 3 no ho 0 (12/10 ; 11/1 ; 11/2). Marihina fa nandrombaka ity fifaninanana ity ireo frantsay ireo.
Tsara ny vokatra azon’ireto Malagasy mpilalao ireto tamin’ity fifaninanana ity. Nandresy ireo Danois, i Martin Andersen sy i Thor Christensen, tamin’ny seta 3 no ho 1 (11/8 ; 12/14 ; 11/7 ; 11/9), teo amin’ny dingana ampahavalon-dalana, avy eo nandavo ny ekipan’i Italia, nisy an’i Matheo Mutti sy i Daniele Pinto, teo amin’ny ampahefa-dalana. Seta 3 no ho 2 nahazoan’izy mirahalahy ny fandresena. Fihaonana tena niady ary niendrika famaranana kely. Nampitsanga-mitoetra ireo rehetra nanatrika. Lasan’i Fabio sy i Antoine, ny seta 2 voalohany avy eo nosahalain’ ireo Italianina saingy nisongadina ny fahaiza-manaon’ireto Malagasy mpilalao ireto teo amin’ny seta fahadimy, ka nahazoany ny fandresena.
Noho ity vokatra azon’izy ireo ity, nahazo isa eo amin’ny filaharana iraisam-pirenena izy ireo. Mbola manana herijika hiady ny tapakila hiatrehana ny lalao Olympika “JOI 2024” any Paris, ry zalahy. Hiatrika izany any Busan, Corée Atsimo izy ireo ny volana febroary 2024, mandritra ny fiadiana ny ho tompondaka maneran-tany.
Tompondaka