Kick Boxing “Grand Prix” : handray anjara ny ekipa nasionaly

Raikitra ny “Grand Gala”, taranja kick boxing, mitondra ny anarana “Grand Prix”. Fifaninanana eo ambany fiahian’ny Federasiona malagasin’ ny kick boxing sy ny Alpha Club, izay mankalaza ny faha-30 taona niorenany. Any Manakara no hanaovana ny ady ny sabotsy 23 desambra izao, manomboka amin’ny
1 ora sy sasany atoandro. Hiavaka ity fifaninanana ity satria eny amin’ny torapasika no nosafidin’ny mpikarakara hanatanterahina izany. An­koatra izay, ho tazana hampiseho ny fahaizany ny ekipa nasionaly, izay tena andra­san’ny maro tokoa. Eo ihany koa ny fandraisana anjara mavitrika avy amin’ny ligim-paritra manerana ny Nosy. Faritra 7 no efa nanamafy ny fahatongavany amin’io sabo­tsy io. Ahitana an’Antana­narivo, Antsirabe, Fianaran­tsoa, Toamasina, Farafan­gana, Toliara ary i Manakara mpampiantrano. Ady tsy la­tsaky ny 20 eo no hitranga amin’ity Gala ity, ka anisan’ny hifanandrina amin’izany, eo amin’ny K1 Rules -54kg 3rounds x 3mn, i Marco (Farafangana) sy i Jonathan Scorpion (Antananarivo). Eo amin’ny sokajy vehivavy kosa, andrasana ihany koa ny fihaonana eo amin’i Fitiavana Valy Soa (Haute Mahatsiatra) sy i Raly Sandie ( Analamanga).

Mi.Raz

Partager sur: