Nihaona fanindroany omaly, tany Arabia Saodita, ny filohan’ny Fifa, Gianni Infatino sy ny filohan’ny Federasiona malagasin’ny Baolina kitra (FMF), Randrimanampisoa Alfred.
Notanterahina omaly, tany Arabia Saodita, ny fihaonamben’ny Fifa, “Sommet du Foot-ball de la Fifa 2023”. Tonga nanatrika izany, ny filohan’ny Federasiona malagasin’ny baolina kitra (FMF), Randriamanampisoa Alfred, sy ny sekretera jeneralin’ny FMF. Natao hizarana sy handinihina ny tanjona sy ny paika hoentina mampandroso ny baolina kitra mandritra ny efa-taona no anton’ny fihaonambe.
Fanindroany izao no nihaona ny filohan’ny Fifa, i Gianni Infatino, sy ny Filohan’ ny FMF vaovao. Ny volana oktobra lasa teo, tany Paris, ny fihaonana voalohany teo amin’izy mirahalahy. Manana fanamby goavana ny FMF dia ny handraisan’i Madagasikara anjara amin’ny fiadiana ny ho tompondaka maneran-tany “Mondial 2026”, hatao any Etats-Unis.
Laharana fahatelo
Mitana ny laharana fahatelo ny Barea de Madagascar taorian’ny andro faharoan’ny fifanintsanana isam-bondrona hiadiana ny tapakilan’ny “Mondial 2026”, ho an’ny sokajy “I”. Tsara ny mampahafantatra fa miray vondrona amin’izy ireo, i Ghana, Centrafrique, Comores, Tchad ary i Mali. Ny volana jona 2024, etsy Mahamasina, hifanandrina amin’ny Nosy rahavavy Comores i Madagasikara. Ny ekipa nasionalin’i Comores no voalohany ao amin’ity vondrona ity.
Mialohan’ny fifaninana “Orange Pro League (OPL)”, nampahafantarina teny amin’ ny kianja Barea Mahamasina, omaly, tamin’ireo klioba rehetra, ny fepetra avy amin’ny CAF, tsy maintsy arahina. Ekipa 14 tamin’ireo 18 no tonga nanatrika izany. Ny 4 febroary ho avy izao no hanombohan’ny “Opl”.
Fitia Randria