Hotanterahina manomboka anio, any Morondava, ny fifaninanana baolina kitra an-torapasika, beach soccer, ho an’ny seksiona Morondava. Hotolorana lelavola 5 hetsy Ariary izay ekipa voahosotra ho tompondaka amin’izany. Miisa valo ireo ekipa mpandray anjara amin’ity fifanintsanana ity. Marihina fa nozaraina vondrona roa “A sy B” izy ireo.
Raha ho an’ny sokajy “A”, misy ny US Pro, FC Réunion, FC Ressort, FC Leader. Ao amin’ny vondrona “B”, ny Aqualimba, ny FC Scorpion, ny FC Cousin, ny Passion Foot. Mialohan’ny fifaninanana, hisy lalao ara-pirahalahiana “match de Gala” izay hihaonan’ny ekipa voafantin’Atsinanana sy i Menabe. Araka ny vaovao voaray, natao hitilina ny mpilalao handrafitra ny ekipan’ny seksionan’i Morondava ity fifanintsanana Beach soccer ity.
Ankoatra izay, natomboka ny 16 desambra lasa teo tany Manja ny fampiofanana sy ny recyclage ho an’ireo mpitsara baolina kitra. Miisa 18 izy ireo no nisoratra anarana tamin’izany. Ilay mpitsara iraisam-pirenena, Andrianirina Michel, no hitarika izany fiofanana izany. Any amin’ny seksiona Tsiribihina no hanaovana ny fampiofanana manaraka.
Fitia Randria