Nivoaka ny filaharana eto Afrika sy maneran-tany, eo amin’ny taranja basikety, lalaovin’olona 3, taona 2023. Ho an’i Madagasikara, laharana fahatelo no misy ny Ankoay lahy eto Afrika, izay nahazo isa 679 668 ary faha-35 kosa maneran-tany. Laharana faha-9 kosa no misy ny Ankoay vavy, eto Afrika. I Egypta no mitana ny laharana voalohany aty Afrika, ho an’ny sokajy lehilahy, izay manana isa 1 025 518 . Faharoa kosa i Bénin, manana isa 742 693. Mitana ny voalohany maneran-tany i Serbie, faharoa i Etazonia ary fahatelo kosa
i Chine. Eo amin’ny vehivavy indray, voalohany eto Afrika
i Egypta, faharoa i Kenya ary fahatelo i Bénin. Laharana faha-61 no misy ny Ankoay vavy, amin’ny filaharana maneran-tany. Tsiahivina fa samy nahazo medaly alimo ny Ankoay lahy sy vavy, nandritra ny fiadiana ny tompondakan’i Afrika farany teo, izay natao tany Egypte.
Mi.Raz