Notanterahina ny alahady 24 desambra lasa teo, teny amin’ny kianjan’ny Oniversite Ankatso, ny fankalazana ny fahadimy taona nijoroan’ny Association des jeunes sportifs (AJS) Mada Tsiadana. Miisa 70 mahery teo ireo ankizy, lahy sy vavy, tonga nanatrika ny hetsika “get into rugby”, teny an-toerana. Marihina fa avy amin’ny sekoly rugby miisa efatra izy ireo. Anisan’izany ny AJS Mada, ny école de rugby Andavamamba, Alacasm Alasora, Madecas.
Ankoatra izay, nisy ny lalao “match triangulaire” izay niarahan’ny lehilahy sy vehivavy “mixte U16” mifaninana. Norombahan’ny AJS Mada izany fihaonana izany. Ho fanamarihana ity fahadimy taonan’ny AJS Mada ity, nisy ny lalao fihantsiana izay natao teny an-toerana ary notolorana amboara avokoa ireo izay nivoaka mpandresy tamin’izany.
Nomarihin’ny mpikarakara fa natao hanentanana ny ankizy hitia sy hanao fanatanjahantena ity hetsika ity. Tsiahivina fa tamin’ity fahadimy taona ity nisy an’izao hetsika izao.
Fitia Randria