Basikety-FIBA WABC LEVEL 1: Malagasy mpanazatra roa afa-panadinana

Nanome fiofanana ho an’ny mpanazatra avy amin’ny firenena 4 (Maorisy, Seychelles, Kaomoro ary Madagasikara) ny manampahaizana avy amin’ny FIBA, Uariachi Naoufal, ny fiandohan’ity volana desambra ity. Fiofanana natao tany Maorisy, nandritra ny 7 andro. Mpiofana mpanazatra 14 mianadahy no nanaraka izany ka Malagasy ny roa amin’izy ireo. Nisy ny fanadinana nitsapana azy ireo sy nahafantarana izay tena matihanina sy mendrika ka samy afaka avokoa ireo Malagasy mpanazatra roa mianadahy. Nahazo ny mari-pahaizana FIBA WABC LEVEL 1 ny 7 tamin’ireo 14 niofana ka tao anaty lisitra Ranarivelo Riantsoa Brenda, avy amin’ny klioban’ny FANDRASA, Matsiatra Ambony sy Rajaonarisoa Lanto Andrianina, avy amin’ny klioban’ny NGB Itasy. Hampihatra avy hatrany ny fiofanana azony eto Madagasikara ireto Malagasy mpanazatra nahazo fiofanana ireto, ka hizara ny traikefany.

Mi.Raz

Partager sur: