Tsy mety fay! Voasambotry ny zandarimaria, ny alarobia teo, i Naivobe, jiolahy raindahiny amin’ny fanafihana mitam-piadiana ao Antanifotsy. Mpamerin-keloka ny lehilahy ka izao tratra nitazona basy tsy ara-dalana izao. Ny alatsinainy teo, nahazo vaovao ny zandary ao an-toerana fa monina ao Andavabiby, fokontany Morarano ny lehilahy. Ny alarobia teo, nidina nijery azy tao an-tranony ny mpitandro filaminana. Nitsambikina avy teny ambony varavarankely avy hatrany anefa ny rahalahin’ity jiolahy ity vantany vao nahatazana ny zandary. Tsy lasa lavitra i Rezy, zandrin’i Naivobe ka voasambotra rehefa avy nifanenjehana. Tra-tehaka tamin’izay koa iry jiolahy mpamerin-keloka iry niaraka tamin’ilay basy poleta vita gasy tsy ara-dalàna tao an-tranony.
Maro ireo olona efa nitory an’i Naivobe noho ireo asa ratsy nataony. Noentina teny amin’ny biraon’ny zandarimaria izy nanaovana famotorana. Fantatra taorian’izay fa vao nivoaka ny fonjan’Ambatolampy vao tsy ela ity jiolahy ity izao tratra nandika lalàna sahady izao indray. Araka izany, natao andrimaso ao amin’ny mpitandro filaminana ny lehilahy ary atolotra ny fampanoavana aorian’izay.
Henintsoa Hani