EPP sy CEG eto Antananarivo : ampanofain’ny mpitantana antsokotsoko

Nampiantso ireo tomponandraikitra momba ny fampianarana eto Antananarivo Renivohitra ny CUA, tamin’ity herinandro ity. Anisan’izany ny lehiben’ny fari-piadidiam-pampianarana (Cisco, ireo talen-tsekoly eny amin’ny EPP sy CEG…). Nisongadina tamin’ izany fa misy amin’ireo mpitantana sekoly manjakazaka tsy an-kiera amin’ny kaominina amin’ny fampiasana ny fotodrafitrasa izay an’ny kaominina ny fitantanana azy.
Mahazo fitarainana ny CUA amin’ny fampanofana antsokosoko ny tokotanin-tsekoly ho lasa fiantsonan’ny fiara, fampanofana efitranon-tsekoly anaovana hetsika fi­kambanana na fianakaviana hatramin’ny hetsika ara-pivavahana.
Sarotiny amin’ny fikojana ny fotodrafitrasa ny kaominina ary mitaky ny fanajana ny fifehezana azy ireny. Nanao tsindrim-peo, araka izany, ny CUA fa ny hetsika rehetra izay mahakasika ny fotodrafitrasa dia tsy maintsy fantatry ny kaominina avokoa na ny bitika indrindra aza.
Ny kaominina tokana iha­ny no afaka mandidy sy manapaka mahakasika ny fampiasana azy ireny ankoatra ny fa­mpianarana ny zana-bahoaka.
Nampahatsiahivina ihany koa ny naoty izay milaza fa ny CUA irery ihany no mpitantana ny fotodrafitrasa rehetra ampiasaina eny amin’ny CEG sy ny Lycée eto an-dReni­vohitra. Voakasik’izany ny fanavaozana, fametahana jiro, fanitarana…

Tatiana A

Partager sur: