Manana ny hoaviny ny asa amin’ny Web ary mbola malalaka tsara ny tsenan’ny asa mifandraika amin’izany. Mila olona mahafehy ny asa ny tsena eto an-toerana sy any ivelany ka izay no nanosika ny minisiteran’ny Fampianarana teknika hanofana tanora.
Betsaka ny tolotrasa miompana amin’ny Web mikirakira “internet” fa tsy ampy fiofanana mifandraika amin’izany ny tanora malagasy nefa misy fanararaotra maro azo trandrahina ao anatiny, hoy ny minisitry ny Fampianarana teknika sy ny fanofanana arakasa, Rakotondrazafy Lalatiana, omaly. Tsy mbola nisy fampiofanana avy amin’ny fanjakana, amin’ny alalan’ny minisitera, nomena ny tanora momba ny asan’ny Web ka izay no nanosika ny minisitra vaovao hametraka fanofanana nanomboka omaly, eny Ampefiloha. Maimaimpoana ny fanofanana ka tanora 200 no namaly ny antson’ny minisitera hanaraka izany eto Antananarivo fa hiitatra amin’ny faritra hafa. Mpampiofana avy amin’ny sehatra tsy miankina no handray an-tanana ny fampiofanana fa manomboka amin’ny herinandro ambony ny fampiofanana mpampiofana ataon’ny minisitera.
15 000 ny asa mivantana avy amin’ny Web amin’izao fotoana izao ary tsy mitsahatra mitombo ny filàna satria mandray mpiasa 300 ka hatramin’ny 500 isan-taona ny orinasa iray. Am-polony ny orinasa mifototra amin’ny asa amin’ny Web eto amintsika ary mila olona niofana sy manana ny kalitao takina. Hotohizana any Fianarantsoa, Toliara, Antsirabe ny fampiofanana satria manana orinasa amin’ny Web koa ireo faritra ireo, araka ny fanazavany.
Ankoatra ny asa amin’ny Web, hanofana momba ny asa pavé ny minisitera satria manana vato betsaka azo ampiasaina hanamboarana lalana isika. Mizara telo ny asa : mamaky vato, mandrafitra ary mametraka azy.
Fiofanana 10
Karazana fiofanana 10 no hatao ao anatin’ny 100 andro ho an’ny daholobe sy ny vehivavy ary ireo manana fahasembanana, toy ny nahandro, ny fiompiana,… ahazoana miasa avy hatrany. Vinan’ny filohan’ny Repoblika rahateo ny fampandrosoana mifototra amin’ny loharanon-karena maha olona ka anisany ny fampiofanana samihafa manome lanja ny tanora, vehivavy…
Anatin’ny asa hosahanin’ny minisitera koa ny fanavaozana ny Lycée teknika sy ny ivontoeram-panofanana teknika manerana ny Nosy.
Vonjy