Tontosa ny herinandro teo ny lanonana fifampiarahabana teo amin’ny samy mpiasan’ny STAR. Nohararaotina, nandritra izany, ihany koa ny fanomezana medaly sy mari-boninahitra ireo mpiasa mendrika. Miisa 566 ny nisitraka izany, avy amin’ny masoivoho Star manerana ny Nosy : 4 ny “Commandeur de l’Ordre National”, 23 ny “Officier de l’Ordre National”, raha 254 ny “Chevalier de l’Ordre National”, 199 nahazo ny medaly volafotsy ary 160 kosa nomena medaly alimo. Tonga nanotrona sy nanome voninahitra ny fotoana ny minisitry ny Asa, ny fampananan’asa ary ny asam-panjakana, Razakaboana Hanitra Fitiavana. Mariky ny fiaraha-miasa misy eo amin’ny fanjakana sy ny tsy miankina izany.
Tafiditra anatin’ny fifanarahana iombonana ny fanomezana mari-boninahitra ireo mpiasa, izay tontosaina isaky ny roa taona. “Ireo medaly ireo dia vokatry ny asa mendrika vitanareo ho an’ny orinasa sy ho an’ny firenena. Modely ho an’ny mpiara-miasa ianareo ary voninahitry ny orinasa sy ny fianakaviana…», hoy i Marc Poementier, tale jeneralin’ny Star, nandritra ny lahateniny.
Zo ny Aina