Holafitry ny infirmiera : niala tanatin’ny holafitr’ireo matihanin’ny fahasalamam-bahoaka

Betsaka ny olona manao ny asan’ny infirmiera manerana ny Nosy noho ny tandrevaky ny tomponandraikitra. Vokany, hiala tsy ho mpikambana ao anatin’ny fiombonan’ny holafitry ny sehatrasa fahasalamana ny infirmiera.

Notanterahina teto An­tananarivo ny fivoriana voalohany niarahan’ny mpikamban’ny Holafitra nasionalin’ny infirmiera sy ny bi­raom-paritra 23. Nanao fa­nambarana ny filohan’ny holafitra, Andrianarison Jean Aimé Botosera, taorian’izany, ny sabotsy lasa teo. Nivoitra tamin’ny fanambarana ny fialàn’izy ireo tsy ho mpikambana ao anatin’ny fikambanamben’ny holafitry ny matihanina amin’ny fahasalamam-bahoaka. Ity farany izay hivondronan’ny Holafitry ny mpitsabo, Holafitry ny mpampivelona, Holafitry ny farmasianina. Antony nandraisana ny fanapahan-kevitra ny fijerena ny tombontsoa ambonin’ny infirmiera manerana ny Nosy, araka ny fanazavany ihany. « Tsy ekenay ny fanomezana alalana ataon’ny tomponandraikitra olona tsy niofana kanefa manao tolotra fahasalamana natokana ho azy ireo », hoy hatrany ny filohan’ny Holafitry ny infirmier.
Entanina ny infirmiera rehetra hiditra ho mpikambana ao amin’ny holafitra ka namoraina ny dingana ary nofoanana ny sazy samihafa. Tsy afaka miasa ara-dalàna ireo infirmiera vita fiofanana raha tsy voasoratra anaty rejisitry ny holafitra.
Hidina ifotony

Mbola namafisiny fa hanomboka amin’ity herinandro ity ny fidinana ifotony, hijery ny sekoly mampiofana infirmiera nefa tsy manara-dalàna. Ho jerena koa ny olona misandoka manao ny asan’ny infirmiera nefa tsy manana diplaoma mifandraika amin’izay.
Napetraka teny Befela­tanana, ny faran’ny herinandro teo, ny vatofototra amin’ny tranon’ny infirmiera, izay tolo-tanana avy amin’ny naman’ny filohan’ny holafitra monina any ivelany. Ho vita mialoha ny 12 mey (Andro maneran-tany ho an’ny infirmera), homarihina any Toamasina, ny fotodrafitrasa. Dimy taona ny faharetan’ny fotoam-piasan’ny biraon’ny holafitra.

Vonjy A.

Partager sur: