Nandritra ny enin-taona izay no niseharan’ity raim-pianakaviana ity teo amin’ny fivarotana lasopy. Dingana maro no nolalovana vao tonga amin’ny toerana misy azy toy izao. “Tsy mbola manana fikasana ny hanitatra ny varotra aloha hatreto fa fanatsarana ny vokatra efa misy no hatao”, hoy ity mpivarotra lasopy mandehandeha ity. Olona avy any ambanivohitra, hitady asa eto an-drenivohitra no niantombohany. Niasa tamin’olona nanao lasopy ihany koa izy tamin’izany. Nianatra sy nampiana-tena tamin’ny mpampiasa azy izy tamin’izany ary rehefa nahatsapatena ho afaka mandeha irery, nangata-tsodrano tamin’ireo mpampiasa azy. Izy sy ny vadiny ary ny zandriny no miara-misalahy manao ity asa ity, ankehitriny. Samy manana ny anjara asany ny tsirairay ao anatin’izany ka ny fikarakarana ny legioma no tena fahasahiranana lehibe ho azy ireo. Tsy azo atao ambanin-javatra mantsy ny fikarakarana indrindra ny fahadiovana, mba hitsinjovana ny fahasalaman’ny rehetra, araka ny nambarany.
Ho azy ireo manokana, lasopy legioma no varotany. Anisan’ny tena mampiavaka azy ireo kosa anefa ny fampiasana fangaro natoraly tanteraka, mba hanomezana tsiro ny lasopy hamidy. “Tsy mampiasa fangaro manome tsiro sahala amin’ny jumbo sy ny sisa izahay hitsinjovana ny fahasalaman’ny mpanjifanay sy hitazonana azy ireo”, hoy ity mpivarotra lasopy ity. Tsoka, silamangany, taola-mena, trafon-kena, ireo no hampiasain’izy ireo ataony fangaron’ny legioma ampiasainy, hampiavaka ny varotra ataony. Toerana ahitana azy ireo matetika ny eny Analakely sy ny manodidina, ny Petite Vitesse, Behoririka.. Maro ny fangatahana avy amin’ny mpanjifa, sahala amin’ny hoe fanampiana sakafo ankoatra ny lasopy legioma saingy tsy manana eritreritra ny amin’izany ireto farany. Efa fahasahiranana lehibe mantsy, hoy ity mpivarotra ity, ny fanomanana sy fikarakarana ary fivarotana azy ity ka tsy ampy hanaovana izany intsony ny fotoana eo am-pelatanana.
Maro samihafa ny mpanjifa
Efa maro, ary manomboka mahazo vahana eto amintsika, indrindra eto Antananarivo Renivohitra ny fivarotana lasopy amoron-dalana sy mandehandeha. Araka izay mahamaro azy izay, tsy maintsy mijery izay mampiavaka sy maha izy azy mba hisarihana sy hitazonana mpividy. Tsy mifidy karazan’olona na sarangan’olona fa tazana sy manjifa ety avokoa ireny sokajin’olona maro samihafa ireny. Ho an’ity mpivarotra iray ity manokana, efa misy ny mpanjifa manao famandrihana eo amin’izy ireo. “Lany avokoa izay lasopy varotana, misy aza no mbola mitady nefa ny sakafo efa lany. Mifampitaona ireo mpanjifa ka izay no mampitombo izany isan’andro”, hoy ny nambaran’ity mpivarotra lasopy mandehandeha ity.
Ho an’ireo mpanjifa manokana, “Lasopy tigra” no fiantsoan’izy ireo azy. Tsotra sy mora ary ara-pahasalamana. Ireo no antony isafidianan’ny mpanjifa itony karazana lasopy itony. Ilaina kosa anefa ny mifidy ny madio tsara sy ny ara-pahasalamana na dia izany aza, hoy i Olga, anisan’ny ireo mpanjifa.
Nivoatra sy nisondrotra tsikelikely
Ahafahana mamelona ankohonana aloha hatreto ity varotra lasopy mandehandeha ity. Antony maro no nahatonga azy nanao ny varotra lasopy manokana, araka ny efa voalaza. Raha mahakasika ny hoe mandehandeha kosa, efa nivarotra nipetraka amoron-dalana izy fahiny saingy manahirana ny manangana sy mandrava ny tsena isan’andro. Anisan’ny olana ihany koa ny fanenjehana ataon’ny fivondronana, raha ny nambarany. Ny nanangana ny kalesa fotsiny no anisan’ny ezaka lehibe. Nandany teo amin’ny manodidina ny 5 hetsy teo izy tamin’ny fananganana izany. Rehefa nandeha teny kosa ny varotra natao vao nividy vilany lehibe kokoa. Araka ny nambaran’ity mpivarotra lasopy mandehandeha ity, finiavana sy fahavononana no zava-dehibe ary tena afa-miainga amin’ny kely indrindra mba hahatongavana eny amin’ny tendron’ny zavatra iray.
Lin