Aretin’ny taovam-pisefoana : mifarimbona amin’ny hopitaly maro ny CHU Andohatapenaka

Ho fandraisana an-tanana ny zaza madinika amin’ny aretin’ny taovam-pisefoana dia misokatra ny sampandraharaha misahana izany etsy amin’ny CHU Andohatapenaka.

Nanapa-kevitra ny minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka handrindra manokana ny fandraisana an-tanana ny zaza tratran’ny aretin’ny taovam-pisefoana izay mirongatra rehefa vanim-potoana toy izao.
Mifarimbona, araka izany, ireo hopitaly maromaro amin’ ny fandraisana an-tanana ny zaza tratry ny aretina. An­isan’izany ny hopitalin’ny zaza Chumet sy ny ekipan’ny DCAMUM ary ny CHUJRA, miaraka amin’ny CHU Andoha­tapenaka.
Nosokafana ny faran’ny herinandro teo, eny an-toerana, ny sampana manokana handraisana an-tanana ireo zaza tratran’ny bronchiolite. Toerana hanohizana ny fitsaboana ireo zaza mararin’izany.
Ireo zaza efa avy nozahana tany amin’ny Chumet ka tokony hiditra hopitaly kanefa feno ny toerana no horaisina avy hatrany ao amin’ity sampandraharaha ity. Miantse­hatra mivantana ireo fiara mpitatitra marary manao izany famindran-toerana ny zaza izany ary maimaimpoana. Efa misy ny ekipa manokana hanohy ny fitsaboana sy hikaraka ny fahasalaman’ny zaza ao amin’ny CHU Andoha­ta­penaka. Mitohy avy hatrany ny fandraisana an-tanana ny zaza tsy salaman’ny bronchiolite. Mitohy ihany koa ny fanaraha-maso avy amin’ny Chumet.
Anisan’ny aretina mpahazo ny zaza latsaky ny 3 taona amin’izao fotoana ny bronchiolite. Matetika, ny gripa tsy voafehy mialoha no mitarika io aretina io. Mety hitarika amin’ ny fahasemporana ka ho tonga amin’ny fahafatesana, raha misy fahasarotana.
Saro-pady ary ilana fandraisana an-tanana haingana ny zaza marary. Izany indrindra no antony nanokafana ny sampandraharaha eny amin’ny CHU Andohatapenaka hanampy ireo efa misy amin’ ny hopitaly hafa.

Tatiana A

Partager sur: