Manoloana ny firongatry ny valanaretina «cholera” ao Mozambika sy ny nosy Comores, namoaka naoty ny manam-pahefana ao amin’ny faritra Boeny ny amin’ny fepetra manokana tsy maintsy raisina.
Miato avokoa, araka izany, ny sambo mpitondra mpandeha rehetra avy any Comores. Toraka izany, ny sidina ana habakabaka rehetra avy any Mayotte, miato aloha hatreto. Ny sambo mpitatitra entana kosa, tsy maintsy mandalo fihibohana mandritra ny 15 andro mialohan’ny fandraisana andraikitry ny mpitsabo misehatra amin’ny sisintany sy eny amin’ny seranan-tsambo.
Tanjona ny hisorohana ny fiparitahan’ny valanaretina «cholera” sy hiarovana ny fahasalaman’ny vahoaka ao amin’ ny faritra Boeny izay akaiky an’i Mozambika sy Comores.
Mandritra ny 15 andro ny fanapahana ny fivezivezena an-tsambo sy ana habakabaka, araka ny naoty hatrany.
Apetraka, araka izany, ny fitaovana fanasana tanana eny amin’ny seranam-piaramanidina sy seranan-tsambo. Hatao koa ny famendrahana ranom-panafody HTH amin’ireo entana rehetra tonga.
Tatiana A