Antenimierampirenena : hofaizina mafy ireo mpanolana zaza

Nolanian’ny depiote 67 teny anivon’ny Antenimieram­pi­renena, Tsimbazaza, ny faran’ny herinandro teo, ny volavolan-dalàna 022/2024, tamin’ny 24 janoary 2024, nanitsiana ny lalàna momba ny famaizana ireo manao fanolanana zaza. Misy sokajy telo ny sazy amin’izany, arakaraka ny taonan’ny zaza voaolana: raha latsaky ny folo taona ny zaza, asa an-terivozona mandra-pahafaty no sazin’ny mpanolana; raha folo taona hatramin’ny 13 taona ny zaza, asa an-terivozona 15 ka hatramin’ny 20 taona no sazy; raha mihoatra ny 13 ka hatramin’ny 18 taona, asa an-terivozona folo ka hatramin’ny 15 taona no sazy. Eo koa ny famosirana na fandidiana ho an’izay manolana zaza latsaky ny folo taona, famosirana simika ho an’izay manolana zaza latsaky ny 18 taona. Anjaran’ny fitsarana ny misafidy izay famosirana atao ho an’ireo mpanolana zaza 10 ka hatramin’ny 3 taona. Sazy asa an-terivozona koa ho an’ny fanolanana nomanina olona maro na mahazo ny zaza manana fahasembanana. Ha­ma­fisina ny sazy ho an’ireo mpamerin-keloka amin’ny fa­nolanana: sazy an-terivozona mandra-pahafaty ny mpanolana, miampy famosirana fandidiana. Tsiahivana fa nahatratra 133 ny trangana fanolanana nanomboka ny volana janoary 2024 no ho mankaty, ary 600 izany manerana an’i Madagasikara tamin’ny taon-dasa. Mbola tsy ao anatin’izany ireo tsy fantatra na tsy nahazoana fitarainana.

R. Nd.

Partager sur: