Ady amin’ny «choléra»: mila hamafisina ny fisorohana sy ny fahadiovana

Mananontanona an’i Madagasikara ny valanaretina «choléra». Mila hamafisina ny fiarovana rehetra, indrindra ny fahadiovana. Mila manatona dokotera avy hatrany vao misy tranga mampiahiahy.

Nanao fampahatsiahi­vana ny minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka amin’ny fahamailoana sy fitandremana hisorohana ny valanaretina «choléra» izay mananontanona satria efa mandripaka atsy Mozambika sy ny Nosy Comores.
Aretina haingam-pifindra ary ilana fitandremana fatratra ny «choléra». Aretin-kibo ma­hafaty haingana raha tsy voa­tsabo. Mifindra amin’ny ala­lan’ny fifampikasohana amin’ ny olona mitondra ny aretina, amin’ny alalan’ny tanana maloto, rano na sakafo misy ny otrikaretina.
Miseho amin’ny alalan’ny fivalanana tampoka misesy. Ao anatin’ny fotoana fohy dia reraka be ny marary noho ny fahaverezan-drano tafahoatra vokatry ny fivalanana. Ankoa­tra ny fivalanana, mandoa be matetika koa ilay marary. Tsy mahatelin-kanina fa avoakany avokoa izay tafiditra rehetra. Mangetaheta fatratra ary manaintaina ny nofo rehetra. Milentika ny maso ary mike­trona ny hoditra vokatry ny tsy fahampian-drano. Ao anatin’ny fotoana fohy avokoa izany no mitranga.
Mila manatona tobim-pahasalamana avy hatrany ho fandraisana an-tanana ny marary sy hamonjena ny ainy. Ireo mikarakara ny marary mila manaja fatratra ny fahadiovana mba tsy hifindran’ny aretina na hamindra amin’ny hafa.
Manasa tanana matetika amin’ny savony. Diovina tsara ny sakafo toy ny legioma sy ny voankazo. Ampangotrahina ny rano vao sotroina ary tehiri­zina anaty fitoerany madio sy misarona. Mampiasa kabone ara-pahasalamana ary fadiana ny manao maloto ankalamanjana.
Any Mahajanga no heve­rina ho akaiky indrindra amin’ ny mety hidiran’ny aretina satria mifanila sy ivezivezen’ ny entana avy any Mozambika sy Comores. Efa hentitra anefa ny fanaraha-maso ataon’ ireo tomponandraikitra eny ifotony amin’ny famendrahana fanafody ireo entana miditra. Eo koa ny fihibohana 15 andro.

Tatiana A

Partager sur: