Reena Ghelani : nitsidika ny BNGRC

Nitsidika an’i Madagasikara, ny herinandro lasa teo, ny sekretera jeneraly lefitry ny Firenena mikambana sady mpandrindra ny fiatrehana ny El Nino – La Nina sy ny krizy ateraky ny fiovaovan’ny toetr’andro, Reena Ghelani. Nanokana fotoana hitsidihana ny Birao nasionaly misahana ny fitantanana ny tandindon-doza sy ny loza (BNGRC) izy, nandritra izany. Anisan’ny naseho azy, tamin’izany, ny sampana maromaro, toy ny foibe fandraisana antso maimaimpoana, ny fampandraisana fanapahan-kevitra (Cervo) ary ilay ivontoerana nasio­naly handrindrana ny hamehana (CNCOU). Nohazavaina taminy koa ny rafi-pampahalalam-baovao ampiasaina sy ifandrimbonan’ny mpisehatra rehetra, ary ny rafi-panairana mialoha. Fa eo koa ny fanentanana ny tokony hirosoana mialoha amin’ny hetsika mifandraika amin’ny tandindon-doza mananontanona sy ny loza mitatao voavinavina misy eto Madagasikara. Natolotra azy ny Drafitrasa nasionaly ho fanatsarana ny rafi-panairana mialoha eto Madagasikara. Drafitra hifehezana sy handrindrana ny hetsika rehetra mahakasika ny fampitandremana sy ny fiomanana mialoha. Tafiditra ao ny tetikasa « rafi-panairana mialoha ho an’ny rehetra » hotanterahina anatin’ny efa-taona.

Vonjy A.

Partager sur: