Hanatanteraka hetsika andiany fahenina, “Education Global Expo 2024” ny eo anivon’ny Fan Education Agency, ny zoma sy sabotsy izao, etsy Ankorondrano. “Natao ho an’ ireo mpianatra manam-paniriana handranto fianarana any ivelany io hetsika io ary ahitana sampam-piofanana samihafa ny tolotra ho amin’izany”, hoy ny tale jeneraly, i Fanambinana, tetsy Antanimena, omaly. Anisan’ireo firenena andefasan’izy ireo mpianatra ny any Canada, Etazonia hatrany Allemagne sy i Soisa. Eo koa ireo mihazo ny any Inde sy Malaisie. Manampy izany, ny aty amin’ireo firenena amin’ny ranomasimbe Indianina. Manohana sy manampy ireo tanora eo amin’ny fanamorana ny fikarakarana ny antontan-taratasy sy ny dingana samihafa ny Fan education agency. “Mianto-tena ny mpianatra. Efa misy ny fiaraha-miasa amin’ireo oniversite any amin’ireo firenena ireo amin’izany… Iaraha-mijery koa ny trano fonenan’ireo tanora”, hoy ihany izy. Nanteriny fa manaraka ny fenitra iraisam-pirenena avokoa izany rehetra izany. Arakaraka ny firenena kosa anefa ny sarany ilaina amin’izany. Nambarany fa maro ireo tanora efa nampian’izy ireo amin’ny fiofanana any ivelany tahaka izao ary efa miasa amin’ny orinasa eto an-toerana na koa nisafidy ny hijanona any amin’ny firenena ianarany. “Mitondra fivoarana ho an’ny maha olona eo amin’ireo tanora izany ary ahitany zava-baovao koa”, hoy ihany izy ireo.
Synèse R.