Notontosaina teny amin’ny Mess Fiadanana, afakomaly, ny atrikasa nataon’ireo mpikirakira ny serasera eo anivon’ny Foloalindahy malagasy (MFA).
Fametrahana tondrozotra mazava mifanaraka amin’ny politika ankapoben’ny fanjakana no kendrena hanatsarana sy hampivoarana ity sehatra ity. Tamin’ny alalan’ny famelabelaran-kevitra no nifampizarana ireo sakana na olana rehetra sedraina amin’ny asan-tserasera, eo am-panatanterahana ny asa fiarovana izay mampifandray akaiky ny Foloalindahy sy ny vahoaka. Voafaritra ao anatin’ny fampivoarana ny lafiny maha olona ny serasera sy ny fifandraisana, sady sehatra iray lehibe manampy amin’ny fanatanterahana ireo vina fampandrosoana rehetra. Izany no antony namolavolana izao atrikasa niombonana izao.Tsy maintsy atao ny ezaka hanomezana vokatra tsara sady haingana ho an’ny vahoaka, amin’ny asa sahanin’ny Foloalindahy manerana ny faritra rehetra eto Madagasikara. Noho izany, voizina amin’ny fomba matihanina ny serasera, fongorina amin’ny fomba rehetra koa ireo fifandraisana mety ahitana endrika kolikoly, ary tandrovina toy ny anakandriamaso ny tsy hisian’izany eo amin’ny sahanasan’ny Foloalindahy malagasy. Nitarika izany ny Talen’ny serasera eo anivon’ny Minisiteran’ny Foloalindahy, RAHELISOA Virginie, nanazava ny paikady stratejika miompana amin’ny serasera ankapobeny, eo anivon’ny foloalindahy. Namelabelatra ny tontolon’ny serasera eo anivon’ny Tafika manokana, ny Talen’ny serasera sy hetsika sivily sy miaramila eo anivon’ny Etamazaoron’ireo tafika, ny Jeneraly RAFIDIMANANA Teddy Françis. Tonga nanome voninahitra ny fotoana ny Sekretera jeneralin’ny Minisiteran’ny Foloalindahy (SG), ny Jeneraly RAMASY Razafindratovo Heritiana, izay sady nitondra ny toromarika miompana amin’ity atrikasa ity avy amin’ny Jeneraly SAHIVELO Lala Monja Delphin, Minisitry ny Foloalindahy.
Jean Claude