Fampandrian-tany: mifanome tanana ny fokonolona sy ny Tafika

Mifanome tanana amin’ny miaramila mpampandry tany ny fokonolona ho an’ny ao amin’ny koaminina roa: Am­ba­toasana Afovoany sy Tam­ponala. Manatanteraka ny hetsika Sivily Miaramila ny Tafika malagasy izay manatona ny vahoaka eny ifotony. Manao ny fisafoana ny tanàna sy ny fandriampahalemana amin’ny ankapobeny izy ireo. Manentana ny fokonolona sy mampahatsiahy ny andraikitry ny tsirairay manoloana ny filaminan’ny tanàna. Notetezin’ny Tafika ao amin’ny fari-piarovana sy filaminana Tsiafajavona avokoa ireo fokontany anatin’ny kaominina ambanivohitra roa ireo. Nandalo tao amin’ny zana-bohitra Anosiarivo Sa­kay, fokontany Miarinkofeno, hatrany amin’ny fokontany Am­batolampikely ny Tafika am­bany fifehezan’ny Jly Rafa­limanana Léonard. Nifamaly tokoa ny hetahetan’ny fokonolona sy ny Tafika nanao ny fidinana ifotony noho ny fahatsapahan’izy ireo ny maha zava-dehibe ny fifanomezan-tanana hisian’ny fandriampahalemana maharitra. Marihina fa nanomboka ny alatsinainy 5 febroary teo no niala tao amin’ny kaominina Ambatoasana nitety ireo fokontany ireo ny Tafika ao an-toerana. Hitohy amin’ireo kaominina hafa ny hetsika.

Tsiferana R.

Partager sur: